“Fanapoizinana” – tranga iray matetika hita sy re eny anivon’ny fiarahamonina, ary olana iray izay be mpitatitra eny amin’ny tambazotran-tserasera. Rehefa misy olona iray tratran’ny tsy fahasalamana tampoka, dia mipoitra avy hatrany ny ahiahy sy ny fiheverana isan-karazany: “Nisy nanapoizina io!”; “Omeo tanimanga sy atody haingana!”; “Asaivo mandoha!”; sy ny sisa. Mbola maro no misalasala manatona tobim-pahasalamana na mpitandro ny filaminana, noho ny finoana hoe tsy misy fanafany, na koa noho ny tahotra valifaty. Misy aza ireo mihevitra hoe: “Ho voaray ve ny fitoriana, nefa sarotra ny manaporofo hoe fanapoizinana?”. Rehefa inona tokoa moa ny tranga iray no sokajiana hoe “fanapoizinana” ? Misy andalan-dalàna mahakasika ny “fanapoizinana” ve? Mahazo mametraka fitoriana ve ra hiaran’ny fanapoizinana ? Nanao fanadihadiana manokana ny What The Fact mba hahalalana misimisy kokoa momba io lohahevitra iray io ary nitafa tamin’ny manam-pahaizana ihany koa, toa ireo tompon’andraikitra amin’ny fitsaboana, mpahay lalàna, mpandala ny kolontsaina malagasy ary koa mpitandro ny filaminana.


Ireto misy tranga fanapoizinana maromaro notaterina tanaty vondrona fifanakalozan-kevitra tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook
Inona no atao hoe “poizina” ary inona no hamaritana ny “fanapoizinana” ?
Araka ny famaritana nomen’ny Raki-bolana sy Raki-pahalalana Malagasy, ny voambolana hoe “poizina” dia midika hoe “zavatra mety hahafaty raha tafiditra ao anatin’ny tena amin’ny alalan’ny fihinanana, fisotroana, na fomba hafa.” Ny “fanapoizinana” kosa dia fahatafidiran’ny poizina ao anatin’ny vatana ka mety hankarary na hahafaty ny tenan’ny olona iray. Izany dia mety ho vokatry ny fa,omezana poizina, famosaviana, na fihinanana tsinahy sakafo efa simba na maloto, na fanomezana zavatra mety hahafaty na hankarary ny tenan’ny olona iray.
Tsy voatery hikendry hahafaty avokoa ny fanapoizinana fa misy koa ny fanapoizinana tsy nahy
« Saika ny trangana fanapoizinana hita eny amin’ny tobim-pitsaboana dia vokatry ny famonoan-tena avokoa » hoy Dr RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Sampan-draharaha fameloman’aina sy ny fanapoizinana, ao amin’ny hopitalim-panjakana Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA). Manomboka amin’ny 12 ka hatramin’ny 34 taona no salantaonan’ireo tena tratran’io fanapoizinana io vokatry ny famoizam-po, olana ara-pianakaviana na olana ara-pitiavana raha toa ka kely dia kely ny tahan’ny tranga fanapoizinana tsy nahy, vokatry ny fihinanana sakafo maloto (intoxication alimentaire). Mbola kely noho izay ny tahan’ny marary raisin’ny hopitalim-panjakana vokatry ny fanapoizinana fanahy iniana na nataon’olona. Misokajy roa hoy izy ny fananapoizinana. Misy ny fanapoizinana indray mandeha mahery vaika na koa hoe “intoxication aigüe“. Misy ihany koa ny fanapoizinana mandritry ny fotoana maharitra, vokatry ny fifaneraseran’ny olona amina akora mampidi-doza (produit toxique) na “intoxication chronique“. Ohatra : ny setroka fiara izay iainana isanandro.
Amin’ny fomba efatra no ahafahan’ny poizina miditra anaty vatana. Voalohany, amin’ny alalan’ny vava, ka mandalo ny taovam-pandevonan-kanina. Tafiditra ato anatin’ity sokajy voalohany ity ny fihinanan sakafo maloto na sakafo mampidi-doza (ohatra : soka-dranomasina nihinana ahitse na “algues toxiques”) izay miteraka fanapoizinana ara-tsakafo tsy nahy na “toxi-infection alimentaire”, ny fihinanana fanafody diso fatra, ny fihinanana zaka simika mampidi-doza (toy ny asidra, poizim-boalavo na akora fanamboarana savony “soude caustique”). Faharoa, amin’ny alalan’ny orona, ka mandalo taovam-pisefoana. Tafiditra anatin’ity sokajy faharoa ity ny fifohana entona na setroka avoakan’ny akora sasantsany (Ohatra : ny arina na “charbon” izay mitondra “monoxyde de carbone”). Fahatelo, amin’ny alalan’ny oditra. Tafiditra ato anatin’ity sokajy fahatelo ity ny fifampikasohana amina fanafody sasantsasany misy zaka simika mahery vaika, fanomoana biby kely toy ny “Nuvan” ohatra, izay matetika hosorana amin’ny akanjo hamonoana hao fotsy . Fahefatra farany, amin’ny alalan’ny tsindrona.
“Tsy voatery hisy soritr’aretina hamantarana ny fanapoizinana, satria arakarak’ilay akora nampiasaina ny fiantraikany amin’ny fahasalamana. Ny mpitsabo irery ihany arak’izany no afaka mamaritra raha tena tranga fanapoizinana tokoa no nahazo ilay olona ; amin’ny alalan’ny fitiliana ; ohatra hoe aorian’ny fizahana na fitadiavana ny antony nahafatesan’ny olona (autopsie)”, hoy hatrany i Dr RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina. Misy fahasarotana maro mety hitranga kosa raha tsy entina mamonjy toeram-pitsaboana haingana ny olona tratran’ny fanapoizinana, ary miovaova arakarak’ilay poizina izany, matetika moa dia mitarika fahafatesana ny fiandrasandrasana. Raha sanatria nisotro asidra, na koa soude caustique ilay olona dia mety ho simba tanteraka ny lalan-kanina, ka mety hiafara amin’ny fahafatesana ihany koa.
Ny “fanapoizinana” sy ny “famosaviana”
Raha ny hevitr’i Dadabe Rabesohely, mpandala ny fomba nenti-paharazana malagasy dia samy hafa ny atao hoe “fanapoizinana” sy “famosaviana”. Ny poizina, hoy izy, dia miditra any anaty, zavatra nohanina, voaray, voararaka tamin’ny vatana. Ny poizina dia akora mahery vaika. Ny mosavy indray dia tsy mila mikasitanana ilay olona fa mamandrika, amin’ny alalan’ny famaritany ny lalana tiany hizoran’ny olona iray tiany amosaviana amin’ny fanafody, sady arahiny amin’ny vavany, antsoina ihany koa hoe « fira vava ». Ny fanafan’izay dia olona afaka mihoatra iny « pouvoir de verbe » iny. Olona efa manana ilay antsoina hoe « hasinteny » anefa no afaka manao an’izay.
Nantitranteriny fa tsara avokoa ny zavatra rehetra saingy mety hivadika ho poizina avokoa anefa arakaraky ny fampiasan’ny olona azy. Any amin’ny mpivarotra tapakazo, hoy izy, dia tsy mampiasa poizina mihitsy na kely aza, fa, ny olona no mampitady azy araka izay ilainy. Izany hoe tsy miakatra an-tsena ny poizina fa fomba fikirakiran’ny olona azy no mahatonga azy ho poizina. Ohatra : ny jatropha dia tena mahafaty, nefa ny anarany amin’ny teny malagasy aza dia « vala velona ». Mahasitrana vavony izy nefa koa mety ho poizina, ka arakaraky ny fomba hisotroana azy no mahatonga azy ho mahafaty na mahavelona.
Maro ny antony mety hitarika ny olona hanapoizina ny hafa: fialonana, fankamamiana, fitsiriritana, fankahalana. “Tsy mahalala ny rafitra ao anatiny, ny olona, sy ny fahalalana hoe misy Andriamanitra ao an-tampon’ny loha, izany no mahatonga ny fanapoizinana” hoy izy. Nomarihiny fa amin’ny ankapobeny, efa toerana maro eto Madagasikara no manana fahazarana, na kolontsaina mihitsy aza, manao ilay fomba hoe manandrana mialoha rehefa manasa olona hisotro na hihinana, mba hialan’ny ahiahy rehetra.
Inona no ambaran’ny lalàna eto Madagasikara mahakasika ny fanapoizinana ?
“Sokajian’ny lalàna ho ao anatin’ny ny vono olona ny fanapoizinana,” hoy Me Tsiresena Manjakahery, mpisolovava. Raha eo amin’ny sehatry ny lalàna no asian-teny, ny voambolana hoe “fanapoizinana” dia manondro ny “fikasana hanala ain’olona amin’ny alalan’ny akora mahafaty.” Raha misy olona manome akora iray tsy fantany fa mety hitera-doza, ka tsy nikendry hamono na hahafaty ilay lasibatra, dia tsy voasokajy ho “fanapoizinana” izany, fa “vono olona tsy niniana natao”, nohon’ny tsy fahalalany.
Ao anaty heloka tsirairay, hoy izy, dia misy singa telo mamaritra azy : araka ny lalàna, ara-pitaovana, ary ny ara-moraly. Araka izany, raha tsy nahalala ilay tompon’andraikitra fa akora mahafaty no nomeny, dia tsy ao ilay singa moraly, ka tsy sokajiana ho fanapoizinana ilay izy.
Ilay akora nampiasaina no porofon’ny fanapoizinana. Izay no maha-zava-dehibe ny autopsie. Mila porofoina ihany koa ny fifandraisan’ilay olona nanao fanapoizinana sy ilay akora, hoe tena izy tokoa no nihavian’ilay akora. Eo no maha-saropady ny andraikitry ny orinasa misehatra amin’ny fanafody (industries pharmaceutiques), izay mivarotra fanafody misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana. Amin’ny fanapoizinana, tsy ny hoe niafara tamin’ny fahafatesana na tsia no zava-dehibe, fa ilay fikasana hanapoizina mihitsy no voarara sy voasazy.
Izay akora rehetra, na zava-pisotro, na rano amin’ny paompy, dia tokony mandalo “tests de toxicité”, mba hisorohana ny fanapoizinana. Raha toa ka fantatry ny mpamokatra ny fisian’ny poizina ao anatin’ny akora vokariny, tokony tsoahiny avy hatrany ny fanapariahana sy fivarotana ireo akora ireo, raha tsy izay dia azo toriana noho ny « fikasana fanapoizinana » izy.
Raha fehezina, ny lalàna dia manambara fa : « Voarara ny manome, mampihinana akora izay efa fantatra fa misy voka-dratsiny amin’ny fahasalamana ».

Mahazo mametraka fitoriana soa amantsara raha sendran’ ny tranga fanapoizinana
Araka ny fanazavana nomen’i Chef Ravakiniaina Natacha, tompon’andraikitra ao amin’ny Brigade de la Gendarmerie nationale d’Ambohimanga, dia manana zo hametraka fitoriana ny tsirairay, amin’ny alàlan’ny famenoana taratasy fitarainana eny anivon’ny tobin’ny mpitandro ny filaminana . Ao anatin’izany taratasy izany dia ilaina ny fanazavana ny tranga, ny fanaterana ireo porofo, ary ny fanondroana ny olona heverina ho tompon’andraikitra tamin’ny tranga. Rehefa voapetraka sy voaray ny taratasy fitarainana, dia manokatra fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana. Ny vokatr’io fanadihadiana io dia atolotra eny anivon’ny fitsarana, izay mandray ny fanapahan-kevitra farany momba ny tohiny. “Raha hatreto aloha mbola tsy naharay fitarainana momba ana tranga fanapoizinana tao amin’ny Brigade Ambohimanga”, hoy Chef Ravakiniaina Natacha.
Maro ireo fihetsika ataontsika izay heverintsika fa mahasoa, kanefa tsy tokony hatao raha sendra tranga fanapoizinana


Toromarika avy amin’i Dr RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Sampan-draharaha fameloman’aina sy ny fanapoizinana, ao amin’ny hopitalim-panjakana Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA)
Fehiny : Sarotra ny mamaritra avy hatrany hoe tranga fanapoizinana ny tranga iray raha tsy misy fanamarinana avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tsy voatery ho fanapoizinana avokoa ny aretina rehetra. Araka ny lalàna, ny voambolana hoe « fanapoizinana » dia midika ho « fikasana hanimba ain’olona amin’ny alalan’ny akora mahatonga fahafatesana ». Alohan’ny hamaritana tranga iray hoe « fanapoizinana » dia tsara foana ny manamarina izany anivon’ireo manam-pahaizana manokana momba izany.