Isan-taona dia misy tranga hafahafa miseho eny anivon’ny fiarahamonina, indrindra any an-tsekoly, izay miteraka krizy sy fahasaforana. Matetika, ireo tovovavy eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 16 taona no tena voakasika. Raha ny fijoroana vavolombelona izay miparitaka eny amin’ny haino vaky jery sy ny tambazotra sosialy, ireo tratran’ireo tranga hafahafa io dia misy fihetsehana tampoka, very saina, ary misy aza ireo tatitra milaza tranga mahery sy mavesatra kokoa, toy ny itoeran’ny fanahy ratsy, mirediredy ary toa tsy tompon’ny tenany.
- Ny 2 oktobra 2024 lasa teo, nisy tranga niseho teo amin’ireo mpianatra maromaro, tao amin’ny lisea Saint-Michel eny Itaosy. Araka ny fanazavan’ny Mompera Rakotonirina Solofoniaina Chrysanthe, tale ao amin’ny lisea, dia mpianatra 3 tao amin’ny kilasy faharoa (seconde) no safotra taorian’ny taranja fanatanjahan-tena, ary mpianatra 15 hafa no narary taoriana kelin’izay.
- Enina andro taty aoriana, ny 8 oktobra, dia nisy tranga nitovy tamin’io tao amin’ny Sekoly La Gazelle eny Ambohikely, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Soavina. Araka ny tatitra nataon’ny gazety Midi Madagasikara, mpianatra efatra, tovovavy eo anelanelan’ny 13 sy 16 taona, no voan’ny aretina hafahafa. Nahitana fihetsehana tampoka, very saina, ary nisy fihetsika sahala amin’ny hoe voan’ny fanahy ratsy ireo tovovavy ireo. Rehefa avy nitsahatra ny krizy, dia tsy natanjaka intsony ireo mpianatra.
- Ny 23 oktobra, dia nisy mpianatra savotra tao amin’ny lisea Notre Dame mandroseza. Raha ny filazan’ny Sefom-pokontany dia efa nisy maromaro tamin’izy ireo nitrangana toe-javatra mitovy ny 18 oktobra.
Tsikaritra fa miverimberina isan-taona ny tranga tahaka izao. Raha ny arisivan’ny Midi Madagasikara, L’Express de Madagascar sy Newsmada no jerena, dia maro ireo tatitra momba ny krizy mahazo ankizy tamina sekoly samihafa manerana ny nosy. Ohatra vitsivitsy:
- Ny febroary 2017, ankizy tao amina sekoly iray tao Ambatofinandrahana no nanao krizy, ka nitomany sy nahita sary tsy tena misy (hallucinations visuelles).
- Ny desambra 2019, ankizy telo-polo no nihetsika hafahafa sy nihinjintsinjitra tao amin’ny CEG RADAMA, tao Toamasina.
- Ny janoary 2023, mpianatra telo vavy no safotra sy nihinjintsinjitra tao amin’ny lisea iray tao Fenoarivo Atsinanana.
Na dia miverimberina aza ireo tranga ireo, dia mbola tsy voafaritra mazava ny tena antony mahatonga azy. Samy manana ny heviny ny tsirairay: Misy ireo milaza fa vokatry ny krizy ara-pihetseham-po tafahoatra, ny sasany kosa mino fa mety noho ny tsy fahampian-tsakafo. Raha ny fanazavan’ny dokotera dia “spasmophilie” no mahazo ireo ankizy. Etsy ankilany, ny hafa kosa mino fa vokatry ny “Ambalavelona” izany.
Ny mistery manodidina ireo tranga ireo dia miteraka resaka sy tsaho maro eny anivon’ny fiarahamonina ary amin’ny tambazotra sosialy, ka miteraka ahiahy sy tahotra eo amin’ny ray aman-dreny. Izany indrindra no nanosika ny ekipa “What The Fact” hanapa-kevitra ny hanao fanadihadiana mikasika ny atao hoe “Ambalavelona”. Tsy ny hanamarina na handiso ny fisian’ny Ambalavelona no tanjon’ny fanadihadiana, fa kosa ny hitondra fanazavana mazava sy feno mikasika ity “aretina” hafahafa izay voatonona matetika isan-taona rehefa misy tranga hafahafa miseho eny anivon’ny fiarahamonina. Ho fanatanterahana izany, dia noraisina ireo tahiry an-gazety sy nentina niresahana tamin’ny manampahaizana maro avy amin’ny sehatra samihafa, toy ny ara-tsiansa, ara-pinoana, ary nentin-drazana mba hanazavana ny tena dikan’ny hoe Ambalavelona.
Inona no atao hoe « Ambalavelona » ?
Araka ny voalazan’ny Rakibolana Malagasy, ny « Ambalavelona » dia aretina mitovy amin’ny kasoa, heverina fa vokatry ny ody mahery ataon’olon-dratsy mpisompatra ary mety hahazo antokon’olona maro indray mandeha. Voalaza fa raha tsy voatsabo haingana, dia mety hiafara amin’ny fahafatesana.
Maro ireo manam-pahaizana no nitondra fanazavana momba ny tranga « Ambalavelona ». Ireo fijery dia samihafa araka ny sehatra, ary azo sokajiana ho telo lehibe: ny fijery ara-tsiantifika, ny fijery ara-pinoana, ary ny fijery nenti-paharazana. Zava-dehibe ny mahafantatra ny tranga amin’ny alalan’ireo fomba fijery ireo, satria manampy amin’ny fahatakarana sy fanazavana lalindalina kokoa ny zava-misy sy ny antony mahatonga izany.
Ny tranonkalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena dia namoaka tarehimarika momba ny trangan’”Ambalavelona” tamin’ny taona 2015, izay nosokajiana ho “famosaviana”. Voalaza fa mpianatra vehivavy manodidina ny 1000 tao anatin’ny sekoly 80, indrindra tany amin’ny kolejy sy lisea, no nahitana fihetsika sy fisehoan-javatra toa vokatry ny famosaviana. Taorian’ny fanadihadiana dia nisy olona voasazy herintaona am-ponja noho ny fanaporofoana fa mpilalao ody izy ary nanao famosaviana tamin’ny mpianatra mihoatra ny 100 tao Miandrivazo.
Tamin’ny taona 2016, taorian’ny tranga « Ambalavelona » izay nampiahiahy ny fiaraha-monina, dia nanome fanazavana ny Profesora Mamy Lalatiana Andriamanarivo, minisitra ny Fahasalamam-bahoaka tamin’izany fotoana izany. Araka ny fanazavany, dia misy ifandraisany amin’ny toe-panahy sy ny saina ny tranga. Hoy izy tamin’ny mpanao gazety: “Ny Ambalavelona dia soritr’aretina vokatry ny toloko ara-tsaina lalina na tebiteby mahery vaika, izay misy fiantraikany amin’ny vatana, ny saina, ary ny fanahin’ilay olona.” Notsindriany manokana fa azo tsaboina tsara ity aretina ity, ka ilaina ny fahatakarana sy ny fandraisana andraikitra maharitra.
Ny Ambalavelona amin’ny fijery ara tsiatifika
Ireo dokotera dia tsy manasokajy ny “ambalavelona” ho aretina, fa ho “fahakorontanana” izay azo alamina tsara. Araka ny fanazavana nentin’i Dr. Sehenonavalona RANDRIAMBOLOLONA, mpitsabo ao amin’ny Service psychiatrique HJRB, tao anatin’ny fandaharana iray tao amin’ny haino vaky Jery teto Madagasikara tamin’ny taona 2019, dia fitambarana soritr’aretina maromaron ny « Ambalavalona ». “Tsy ahitana na inona na inona amin’ny fitiliana toy ny rà na ny tsokan-damosina, ary tsy voamarina ny antony mahatonga azy » hoy izy. « Crise d’hystérie » no famaritany ny Ambalavelona.
Mifanojo amin’izany ihany koa ny fanazavana nentin’i Dr. Kiady Rivo RAZAFINDRALAMBO, interne en psychiatrie, izay nanamarika fa mety mitranga amin’ny vondron’olona ny Ambalavelona. Raha ny fanazavana netiny dia azo atao hoe « hystérie collective » ny « Ambalavelona ».
Samy nanindry ireo dokotera fa ity tranga ity dia tsy voafetra eto Madagasikara ihany, fa hita maneran-tany, na dia eo aza ny fahasamihafana ara-kolontsaina sy ara-pivavahana. Samy mety ho voa na lahy na vavy. Nanome ohatra ny Dr. Kiady Rivo RAZAFINDRALAMBO fa nahitana tranga mitovy tao Sénégal ihany koa.
Arakan y famaritana dia « fahakorontanana ara-tsaina » no atao hoe Hystérie. Nandalina manokana ny momba ny Hystérie ny profesora Jean Martin Charcot(1825–1893), neurologue frantsay. Nolazainy fa mandalo dingana telo ny fisehony :
I – Dingana épileptoïde, izay ahitana ny soritr’aretina toy ny fihetsiky ny vatana mivonkina toy ny arko.
II – Dingana clonique, izay miavaka amin’ny fihetsiketsehana mahery vaika ataon’ny vatana.
III – Dingana farany, izay misy ny fanalefahana ny krizy miaraka amin’ny vanim-potoana fahatsapana fahafinaretana na alahelo lalina. (transe, hallucinations)
Nitanisa soritr’aretina maromaro ny dokotera Sehenonavalona RANDRIAMBOLOLONA: faharerahana ara-tsaina maharitra, fidobodoboky ny fo, fahatsapana fanerena eo amin’ny tenda ka tsy afaka miaina ary mitarika fahasemporana, fihetsika tsy voafehin’ny saina, tanana sy tongotra mikainkona, voly, tera-tsemboka ny vatana manontolo. «Mialohan’ny hitrangan’ireo soritr’aretina, dia matetika misy zavatra niseho teo amin’ny fiainan’ilay olona — mety ho olana, fisedrana, na fahoriana iray izay namely mivantana azy na ny manodidina azy, ka niteraka fihetseham-po goavana; alahelo, hatezerana, na trauma ara-tsaina. Ao anatin’izany toe-javatra izany no asehon’ny vatana fa misy zavatra tsy zakan’ilay olona, ka mila fanampiana izy. Tsy mitranga anefa izany raha tsy eo ny olona manodidina azy, toy ny any am-pianarana, am-piangonana, na eny an-tsena. Ny fanadihadiana na entretien no ahalalana ny fototry ny toe-javatra satria mety ho mifandray amin’ny zavatra niainany tany aloha ilay izy,» hoy izy.
Nanome fanazavana koa ny Dokotera Kiady RAZAFINDRALAMBO mahakasika ny fifindrany. «Amin’ny ankapobeny, eo amin’ny sehatra ara-tsiantifika sy ara-pisainana dia misy ny antsoina hoe transfert, izany hoe fifindran-kevitra, izay mahatonga ilay fikorontanana ho azo ifampizaràna eo amin’ny olona iray sy ny manodidina azy. (Ohatra: raha misy olona roa miresaka, ka mitaraina mafy ny iray, dia mety hahatsapa reraka ny iray hafa — toy izay no fisehon’ilay transfert.) Tsy midika anefa izany hoe ho azon’ny rehetra ilay izy fa ireo olona izay manana toetra amam-panahy mitovy amin’ilay voan’ny fikorontanana ihany no mety ho tandindomin-doza,» hoy izy.
Araka ny fanazavan’ny Dokotera Sehenonavalona RANDRIAMBOLOLONA, dia ny atao hoe psychothérapie, izay fanampiana ilay olona hiatrika ireo tranga-piainana ireo no hoentina itsaboana ny Ambalavelona. Arakaraky ny soritr’aretina mitranga aminy dia misy ny fanafody azo entina hanampiana azy. Raha tratry ny fahaketrahana aratsaina na tebiteby izy ohatra dia misy ny fanafody entina hanampiana azy amin’izany. Mila entina any amin’ny mpitsabo ny olona misy ireo soritr’aretina ireo.
Nanamarika ny Dokotera Kiady RAZAFINDRALAMBO fa raha zavatra mitranga toy izao dia tsy tokony hampitahotra ny fiaraha-monina. Zavatra tsy dia mampanahy ilay izy, hoy izy, satria rehefa atao ny fitiliana sy fikarohana rehetra dia tsy mahakasika ny fahasalamana organika, izany hoe tsy misy lésion organique any anaty atidohan’ilay olona. Rehefa misy izay tranga izay dia tokony manatona dokotera, na psychologue na psychiatre mba handaminana azy.
Ny Ambalavelona amin’ny fijery ara-pinoana
Raha nanontaniana ireo mpisehatra eo amin’ny fiangonana, dia mamaritra ny Ambalavelona ho aretina ara-panahy izy ireo. Araka ny fanazavan’ny mpitandrina Sébastien Randriambololona, ny ambalavelona dia vokatry ny fahefan’ny hery ara-panahy matanjaka kokoa noho ny fanahin’olombelona. Io hery io dia miditra sy mibaiko ny olona tsy manana fiarovana manokana, ankoatra ny maha-olombelona tsotra azy. « Tsy tompon’ny tenany intsony ilay olona fa baikoin’ilay olona nanao ny ambalavelona, ka lasa manao izay fikendren’ny mpanao azy,» hoy izy.
Raha ny fanazavany, ny fiovan’ny fomba fitaizana sy fanabeazana no antony iray lehibe amin’ny toe-javatra. Lasa araka ny safidiny sy izay heveriny fa mahasoa azy ny fomba itantanan’ny olona tsirairay ny fihetseham-pony, ka tahaka ny tsy ilaina intsony ny traikefan’ny zokiny sy ny manampahaizana. Tsy zava-dehibe ho azy ireo ny fifampizaràna hevitra fa ny tanora mihitsy no indraindray mitaky hoe “izao no tiako” ary afaka manapa-kevitra ho an’ny tenany. Izany anefa dia mety mifanohitra amin’ny kolontsaina sy ny fitondran-tena ao amin’ny fiarahamonina. Na ny lalàna aza dia matetika miaro ny zon’izy ireo, hany ka miharihary ny fikorontanan’ny tanora, tsy eto Madagasikara sy Antananarivo ihany fa eran’izao tontolo izao mihitsy. Hoy ny mpitandrina hoe, “Izany dia anisan’ny antony iray mahatonga ny fiarahamonina hiharan’ny fikendrena ho simba sy hivily làlana.” Ny heviny dia tokony hisy fomba sazy tsy manimba ho an’ny mpanabe sy ny tanora mba hanitsiana ny lalan’izy ireo. Matetika, olona marefo ara-batana sy ara-tsaina no mora voan’ny ambalavelona, ka na ny vatana na ny saina na ny fanahy reraka dia mora andairan’ny hery ratsy. Izay reraka dia miraparapa mitady fanampiana sy fampiononana, indrindra amin’ny lafiny ara-panahy. Mora tratran’ny asan’ny demonia ny olona tsy miambina sy marefo ara-panahy, ka voan’ny fanafihana na dia tsy hoe nanao ratsy na nanota aza izy.
Hoy ihany izy, amin’ny lafiny ara-panahy, fa mora mifindra ny fikorontanana toy ny ambalavelona raha tsy miambina. Raha ohatra, olona roa mifamaly ka lasa misafoaka ny iray, dia mety mahakasika ilay iray koa ny hatezerana, hany ka lasa maro ireo olona mifamaly avy eo. Fomba fiasan’ny fanahy ratsy izany, araka ny fahatakarana ara-pinoana azy, satria miditra an-tsain’ny olona ilay fanahy ratsy ka mahatonga azy hikorontana sy tsy hahafehy ny fihetseham-po ary ny fitondran-tenany intsony. Manao araka izay ambentin’ilay fanahy ratsy izy amin’ny fotoana izay.
Momba ny fitsaboana indray dia nilaza ny Pastora RANDRIAMBOLOLONA fa ilaina ny fiaraha-miasan’ny dokotera sy ny fitsaboana ara-panahy. Mila tandremana avokoa ny lafiny rehetra mba hahasitrana ilay olona, satria ny vatany sy ny fanahiny no mitondra ny fisehon’ny aretina. Manana andraikitra lehibe ny fiangonana amin’ny famotsorana azy amin’ny fatoran’ny demonia ary tokony ampaherezina ara-panahy ilay olona. Hoy izy, «Ny fanahy maha-olona mihitsy no mila atao matanjaka, satria rehefa tanjaka ara-panahy ny olona iray dia mahatanty ny sakantsakana rehetra ka afaka mitondra tena sy misaina tsara.» Tsy azo atao ambanin-javatra koa ny fikarakarana ara-batana, toy ny sakafo sy ny fomba fiaina.
Ny hevitr’i Pastora Sébastien Randriambololona dia ny hoe tokony ho mailo manoloana ireo zavatra voizina amin’ny haino aman-jery. Na dia maro aza ny zavatra miseho eo anoloan’ny masontsika, dia tokony hifantoka amin’izay araka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho voaaro amin’ny hery ratsy. Amporisihina koa ny rehetra, indrindra ny mpanabe, mba hampiorina ny tanora kristiana hanana fototra mafy orina ao amin’i Kristy Jesosy.
Ny Ambalavelona araka ny fijery nenti-paharazana
Ankoatr’ireo dokotera sy olom-piangonana, dia manana ny heviny ihany koa ny mpitsabo nentim-paharazana. Araka ny famaritana nomen’ny mpitsabo nentim-paharazana Hyacint EFAINARIVO, ny ambalavelona dia aretina mifandraika amin’ny famosaviana, izay heverina fa asan’ny devoly. Raha ny heviny, dia tsy sitranin’ny dokotera izany, satria aretina mahakasika ny fanahy, ka ny mpitsabo nentim-paharazana na ny olom-piangonana ihany no afaka mitsabo azy. “Matetika misy fifandirana eo amin’ny mpitsabo nentim-paharazana sy ny dokotera satria samy hafa ny fomba nianarana sy nahazoana fahaizana. Tsy te hiara-hiasa amin’ny mpitsabo nentim-paharazana ny dokotera, satria ireo mpitsabo nentim-paharazana dia tsy nianatra, fa nahazo talenta avy amin’Andriamanitra,” hoy izy.
Na dia izany aza, manaiky izy fa ny ambalavelona dia aretina mitranga maneran-tany, ary misy famaritana maro. Tsy voatery hitovy ny fisehony, fa tena mahery izy eto Madagasikara. Misy any afovoan-tany sy any amin’ny sisiny, hoy ity mpitsabo nentim-paharazana ity. Araka ny fanazavany, ny fisehon’ireo soritr’aretina dia miankina amin’ny fomba famosaviana natao tamin’ilay olona. “Misy ny mifanintontsitona, ary misy koa ny mandeha miridana be. Matetika, miseho any amin’ny vory vahoaka izany, satria ny devoly dia manjaka kokoa eo anivon’ny maro,” hoy izy.
Notsindrian’i Hyacint EFAINARIVO fa matetika miainga amin’ny fifandirana eo amin’ny olona roa ny famosaviana. Ny ambalavelona, hoy izy, dia ody avy amin’ny zava-maniry, ka mikasoka amin’ny vatana na lasa anaty sakafo. Misy ihany koa ny fomba fanaon’ny olona, toy ny maka singa avy amin’ny vatana—ohatra, singam-bolo na akanjo. Na ny kristianina aza mety ho tratran’ny ambalavelona, satria maro amin’izy ireo no tsy mahalala ny asan’ny devoly.
Raha ny hevitr’i Hyacint EFAINARIVO, mpitsabo nentim-paharazana, dia mora sitranina ny ambalavelona. Ny fitsaboana azy, hoy izy, dia avy amin’ny zava-maniry ihany, atao evoka na hohanina. “(…) Raha ny fomba fiasako manokana dia mampiasa zava-maniry antsoina hoe Sanatro aho. Amin’ny ankapobeny, azo sitranina ao anatin’ny iray andro ilay marary, arakaraky ny endrik’ilay aretina (…)”. Matetika, miara-miasa ny mpiandry, ny môpera, ary ny pasitera amin’ny fitsaboana. Mila fitsaboana amam-bavaka sy evoka ny aretina, ary misy ihany koa ny fampiasana rano voahasina. Amin’ny traikefa azony tamin’ny fitsaboana ambalavelona, hoy izy: “(…) Efa betsaka ny olona voan’ny ambalavelona notsaboiko, tsy tambo isaina (…)”. Farany, nanamafy i Hyacint EFAINARIVO fa tena ilaina ny mitandrina mba tsy hahazoan’olona ny akanjonao na singa avy amin’ny vatanao, satria mety hampiasaina hanaovana famosaviana ireo.
Tranga any ivelany mitovitovy amin’ny zava-misy eto Madagasikara
Maro ny fisehoana fihetsehana mitovitovy amin’izay misy eto Madagasikara, any amin’ireo sekoly any ivelany. Ohatra iray ny nitranga tany Sénégal tamin’ny volana Aprily 2008. Nitrangana fihetsehana, na izay antsoin’izy ireo hoe crises d’agitation psychomotrice hystériformes nahakasika tovovavy maro, indrindra ireo mpianatry ny lisea sy ny kolejy tany an-toerana ary niteraka fisavorovoroana be teo amin’ny firenena izany. Maro no nihevitra fa valan’aretina mihitsy izy io. Ny Hôpital principal de Dakar (HPD) no nandray an-tanana ireo mpianatra ireo ary nanokatra ny « Plan blanc » mba hiatrehana ny zava-nitranga. Nandray fepetra avy hatrany ihany koa ny ministera’ny fahasalamam-bahoaka tao Sénégal, ka nanangana ekipa manokana hijery manokana ny zava-nisy marina sy handrindra asa hiarovana amin’ny fihitaranan’ny raharaha. Mpianatra kilasy 4ème , 3ème , 2nde, 1re ary kilasy famaranana no voakasika. Sekoly 9 ary mpianatra 181 no nitrangan’izany, ary sy salantaonan’izy ireo dia 14 ka hatramin’ny 20 taona, izay vehivavy avokoa. Tahotra lalina, kiakiaka, tomany, mitsikasinkasina amin’ny tany, tsy mety hiverina any am-pianarana intsony satria milaza fa misy ramatoa mamelaka teha-maina, sy mikapoka azy any am-pianarana. Niantso psychiatres, psychologues, mpitsabo maro isakan-karazany ny ministeran’ny fahasalamana tao Sénégal hifandrimbona amin’ny fanampiana ireo mpianatra ireo.
Fikarohana maro no natao hamantarana ny anton’ity tranga ity. Ny ankabeazany naneho fa fotoan-tsarotra ho an’ny tovovavy ny fialan-tsakana, raha oharina amin’ny tovolahy. Eo ihany koa ireo manindry fa sarotra ho an’ny mpianatra sasany ny miaina ao anatin’ny fifehezana sy ny fepetra takiana any an-tsekoly, ka tsy zakan’ny sain’izy ireo izany. Ohatra amin’izany, maro ireo mpianatra tsy misakafo maraina noho ny halaviran’ny sekoly, ny firotorotoana isanandro, ampian’ny olan’ny fitateram-bahoaka. Ankoatra izany dia eo ihany koa ny olam-pifandraisana eo amin’ny tanora sy ny Ray aman-dreny, tsy fahampian’ny fifaneraserana, na kalitao ratsin’izany fifaneraserana izany.