Vérifié et publié par

Vérifié et publié par

Fifidianana Monisipaly : Fandikana vilana ny kabarin’i Marc Ravalomanana

Amina vanimpotoanan’ny fifidianana, indrindra fa ao anatin’ny fampielezankevitra, dia miseho amin’ny endrika maro ny tetidratsy, entina hanaratsiana ny kandida mpifaninana. Isan’ny tsikaritra amin’izany ny fanodinana kabary, na zavatra notenenin’ny mpanao politika, kandida, sy ireo tompon’andraikitra samihafa. Tsikaritra niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera ohatra ny kabarin’i Ravalomanana Marc, filoha nasionalin’ny antoko mpanohitra Tiako i Madagasikara na TIM ny 30 novambra 2024 lasa teo, izay nataony nandritry ny fitetezana fokontany niaraka tamin’ny kandidan’ny TIM, Tojo Ravalomanana. Izany fanambarana izany dia mikasika ny « fanitarana ny fepotoana ahafahana misoratra anarana ao anaty lisitry ny mpifidy amin’ny alalan’ny ordonnances », ary miantefa ho an’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI sy olom-pirenena tsotra.

Nahafahan’ny filoha nasionalin’ny TIM naneho ny ahiahiny momba ny fisian’ny endrika fanomezavana vahana ny hosoka amin’ny alalan’ny lisitry ny mpifidy ity fanambarana voalaza ity. Tokony nakaton’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI tamin’ny 30 novambra 2024 tokoa ny lisitry ny mpifidy, araka ny fifanarahana tamin’ireo kandida ben’ny tanana mifaninana ho fidiana amin’ny 11 desambra 2024 izao, sy ny naoty navoakan’ity CENI, anefa dia nohitariny hatramin’ny 4 desambra indray ny fanakatonana azy.

Fanambarana nataon’i Ravalomanana Marc

Nisy nihiniana naparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera ny dika vilana amin’ny ampahany amin’izany fanambarana izany, ka nahitana izany dika vilana izany ohatra tanatin’ny tambazotra fifanakalozan-kevitra AZ Radio Television, manana mpanaraka miisa 158,4k, tao amin’ny 24h Mada, izay arahin’olona miisa 265k, tao anatin’ny tambazotra FACEBOOK MANOHANA MARC RAVALOMANANA: MAMPANDROSO AN’I MADAGASIKARA izay ahitana mpanaraka 69,8k, na ihany koa NDAO HANDALINA POLITIKA AVO LENTA izay arahin’olona miisa 53,2k.

Mandefa antso amin’ny mpomban’ny antoko TIM sy ny mpanohitra io fampilazana naparitaka ao amin’ny tambazotran-tserasera io, araka izao soratra manaraka izao : « MIOMANA ISIKA FA HITOHY NY TOLONA HETSIKA FOTSY. TSY HANAIKY NY DECISION NORAISIN’NY CENI ISIKA ». Nampihaingoana ny sarin’i Ravalomanana Marc ihany koa izany, izay arahina soratra hoe « Marc Ravalomanana, tsy manaiky ny fanapahanevitra noraisin’ny CENI, ary mety tsy handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy hanohy ny hetsika fotsy ».

Amin’ny ankapobeny dia saika olona iray avokoa no nanaparitaka ilay fampilazana tamin’ireo tambazotran-tserasera voalaza etsy aloha, ary saika mitovy avokoa ny sary arahina soratra izay navoakan’ireo mpampiasa tambazotran-tserasera.

Manoloana izany fandikana vilana ny fanambaran’i Ravalomanana Marc izany, dia niroso tamin’ny famakafakana lalindalina kokoa ny ekipan’ny What The Fact, ka nampitahy ny fampilazana niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny vontoatin’ilay fanambarana tena izy, nataon’andriamatoa Ravalomanana Marc, ka toy izao ny votoantin’ilay ampahany miteraka resabe amin’ilay fanambarana fototra :

This image has an empty alt attribute; its file name is 468830892_1118691906279571_1479053059933943350_n-souligne-en-rouge-1-1024x520.jpg

Nohiniana novaina ny vontoatin’ilay fanambarana nataon’i Ravalomanana Marc izay naparitaka teo amin’ny tambazotran-terasera, ary tsy dia mifanaraka loatra amin’ny hevitra tian’ny mpanao fanambarana voizina.

Fehiny : Diso ny filazana fa « Marc Ravalomanana, tsy manaiky ny fanapahanevitra noraisin’ny CENI, ary mety tsy handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy hanohy ny hetsika fotsy ». Rehefa nozohina sy nofakafakana ilay fanambarana, dia nentin’i  Ravalomanana Marc nanehoana ny ahiahiny momba ny fanitarana lisim-pifidianana fotsiny ihany izy io, ary nentiny hanentanana ny vahoaka sy ny mpifidy mba hisoroka ny hosoka mety hitranga mandritra ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolontsaina monisipaly izay ho tanterahina amin’ny 11 desambra 2024 ho avy izao.

Je partage cet article


Les derniers articles associés

Newsletter FEO !

Grâce aux informations fournies, vous serez informés en priorité des newsletters FEO de WHAT THE FACT.

Nom & Prénoms
Email
Votre demande d’abonnement à la newsletter été envoyée avec succès!
Une erreur est survenue lors de la soumission du formulaire. Veuillez recharger la page ou contacter notre support à l’adresse : support-techno@wearecid.mg

Adresse :
Lot IVX 30 Bis Andraharo, Antananarivo 101
ONG Communication Idea Development (CID)